<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>703</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Jehovah, Ray Tsitoha
 Vory eto izahay,
 Ray hatramin'ny taloha,
 Mihainoa ny vavakay,
 // Mitsangàna //
 Eto afovoanay.

[V2]
 Andro fampakaram-bady,
 Fifaliam-be izao ;
 Hianao no mampivady
 Raha voatendrinao ;
 // Vady hendry //
 Lova avy aminao.

[V3]
 Ry Jehovah Ray malala !
 Mba tezao ireo ho soa,
 Samy tsy hisalasala,
 Fa hifankatia tokoa ;
 // Hamasino //
 Mba ho olonao ireo.

[V4]
 Ho fanahy mifandanja
 Sady tsy ho toy ny roa,
 Ho mpivady mifanaja
 Sady mifamaly soa ;
 // Akambano //
 Mba ho fo iray tokoa.</lyrics>
<title>Ry Jehovah Ray Tsitoha FFPM703</title>
</song>